Sosialy

Fiakaran’ny vidim-piainana Ny vahoaka hatrany no mizaka ny mafy


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Takon’ny raharaham-pifidianana ny fahasahiranam-bahoaka. Miakatra ny vidin-tsolika, miakatra ny saran-dalana, misondrotra ny vidim-bary,…

 

 

 

 Toa zary efa fahazarana ho an’ny sofin’ny Malagasy ny miaina izany na mafy sy mangidy ary tena miantraika hatrany amin’ny aty vilaniny aza. Iza tokoa moa no mba hianteherana eo fa dia samy manana ny mahamaika azy satria ny an’ny vahoaka tsy mandady harona, dia ny mitady izay harapaka no mahaseriny azy, raha toa ka ny hahazo seza sy fahefana no tena laharam-pahamehan’ny mpitondra sy ny mpanao politika. Tsy mahataitra ny fanjakana intsony ny vahaolana hisorohana ny fiakaram-bidin’ny fiainana. Mety hambara aza angamba hoe andraikitry ny filoha vaovao ho avy eo fa fampandehanan-draharaha ankapobeny sisa ny an’ny fanjakana misy ankehitriny. Raha ny vola hatosaky ny kandida sasany amin’ny fifidianana tsy mbola propagandy mety hahavitana tetikasa goavana be eto amin’ny firenena. Misy efa an-jatony tapitrisa dolara satria tamin’ny taona 2013 fotsiny, ohatra, dia 43 tapitrisa dolara na manodidina ny 150 miliara ariary no lany nampandaniana an-dRajaonarimampianina. Raha ny resaka angovo, ohatra, dia azo antoka fa mety hahatafatsangana toby goavana maromaro isika, raha ny volabe laniana amin’ny propangandy no haompana amin’izany. Tsy laharam-pahamehana izany na ho lany eo aza satria ny hanonitra ny lany no mahamaika ho an’ny ankamaroany, izay efa nisy ihany no teo saingy namotika sy nameno paosy no tena hainy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT