Sosialy

Fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny “Na fisondrotan-karama 50% aza tsy ampy”


  • Talata 11 Janoary 2022

Na fisondrotan-karama 50% aza tsy ampy hiatrehana ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE.

Tsy misy antenain’ny malagasy amin’ny resaka sosialy ny kabarin’ny filoham-pirenena, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael. Ny mpiasa amin’izao fotoana izao dia mijery hoe ahoana ny ampitombo ny vola miditra aminy hifanatsahana amin’ny vidim-piainana. Efa nisy moa ny taratasy fangatahana fihaonana amin’ny fivondronan’ny mpampiasa izay nataon’ny CTM. Any no ahitana angamba hoe izao isan-jato no hifanarahana. Ny taona 2019 no nisy fisondrotan-karama farany. Teo no nametrahana hoe 200.000 ariary no karama farany ambany, izay lasa nanahirana satria lasa nitovy ny karaman’ny isan’ambaratongany ary iny koa mbola nakana isan-jato amin’ny CNAPS sy sosialy. Mikarama latsak’izay izany izao ny ankamaroan’ny mpiasa. Sahirana ny mpiasa Malagasy satria lany an-dalana ilay karama. Tonga any an-trano, 1 na 2 andro dia ritra. Ho an’ny FISEMARE manokana dia ny fampiharana ny fehezan-dalana sy lalana efa misy mikasika ny asa no hangatahanay, ankoatran’ilay fisondrotan-karama. Rehefa mihatra ny fehezan-dalana dia tratra ny hoe “Asa mendrika, karama mahavelona!” eto Madagasikara. Tsy tokony ho maika hanova io “code de travail” io isika fa mbola betsaka ny andinin-dalana tsy mihatra araka ny tokony ho izy ao. Anjaran’ny fanjakana ny mifehy ny vidim-piainana. Tsy fantatro hoe mankaiza ireo hetra alaina amin’ny mpiasa fa tsy misy tamberin’andraikitra, hany ka tsy miheritreritra mpitondra intsony fa samy miaro ny tenany ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Miasa mafy nefa kely karama ny mpiasa Malagasy amin’izao, hany ka tsy maharitra ny taham-pahavelomany. Mila jeren’ny fitondram-panjakana ny fampanan’asa sy fametrahana asa mendrika sy ny fiahiana ara tsosialy ary ara-pahasalamana, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny FISEMARE.
J. Mirija
Legende: Ampiharo aloha ity, hoy ny sekretera jeneraly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT