Fiakaran’ny ranomasina ao Toliara

244 isa ireo olona traboina, zaza 2 sempotra


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.

Nanomboka afak’omaly folakandro no nitrangan’izany raha araka ny vaovao azo ary efa mahahenika Fokontany maro. Anisan’izany ny ao amin’ny Fokontany Ambola Kaominina ambanivohitr’ Efoetse, Distrikan'i Toliara II izay ahitana trano 80 rava. Efa mananika ny 244 isa hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ireo olona traboina ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Rava ny trano, lasan'ny rano ny entana, potika ny fananan'ireo mponina sy ireo vokatra kely no mba nohariany raha tsy afa-mianatra ihany koa ny mpianatra. Potiky ny rano tao anatin’ny ora vitsy monja mantsy ny fitaovam-pianaran’izy ireo. Lakana miisa 80 koa no simba sy lasan'ny rano; tahirina trondro sira sy vola mitentina 4 tapitrisa Ar an'ny fokonolona mpanao voamamy no lasan'ny riaka. Zaza mena 2 latsaky ny iray volana no fantatra fa sempotra tamin'ity fiakaran'ny ranomasina ity. Araka ny nambaran'ny Prefe ao Toliara dia voakasik'ity koa ny ao Salary Nord, kaominina Tsifota, distrika Toliara II. Tsiahivina fa efa nandefa fampitandremana ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo fa somary hasiaka sy hahery vaika ny ranomasina any amin’ny faritra Atsimo andrefan’ny Nosy vokatry ny alondrano koa tokony samy hitandrina ireo mpiandriaka sy ireo mponina voakasika.
Pati
Legende : Tahaka izao ny mahazo ireo traboina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT