Sosialy

Fiakaran` ny vidim-bary Fa aiza ny minisitry ny varotra ?


  • Alakamisy 14 Janoary 2021

Tsy ny volamena ihany no misy gaboraraka sy tandrevaka fa mipaka mivantana any

 

 

amin`ny fiainam-bahoaka izany. Iaraha mahita ny fiakaran` ny vidim-bary eny an-tsena. Raha tsiahivina, namoaka didy ny Governemanta Malagasy fa 550 ariary ny vidin` ny iray kapoakam-bary nefa toa mihoatra ny 700 ka hatrammin’ny 800 ariary izany eny amin`ny ankamaroan’ny tsena ankehitriny. Iza no hanara-maso izany? Iza no karamain` ny vahoaka hiaro ny fananany? Nidina teny an-tsena mihitsy ny minisitry ny varotra, Lantosoa Rakotomalala, mba ilazana fa nidina ifotony izy ary hampihatra ny lalàna ihany koa. Saingy rehefa tsy voafehy ny vidim-bary dia navadika indray fa ny Vary Mora izay nafaràna no hoferana ho 550 ariary fa tsy ny eto an-toerana. Hatramin`izao dia tsy nandrenesam-peo aloha ny minisitry ny varotra. Any amin`ny fifanaovan-tsonia sy lavanila sisa no ahitana azy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT