Sosialy

Fiakaran-karaman’ny tsy miankina Tsy hita popoka ilay didim-panjakana hatramin’izao


  • Alakamisy 02 Jona 2022

Mihazakazaka ny fotoana, saingy mihisatra kosa ny fanapahan-kevitra na dia mailaka aza nitady doka sy tehaka tamin’ny mpanara-baovao! Io no mahafintina ny tsy mbola namoahan’ny Fanjakana hatramin’izao ny didim-panjakana

mikasika ny fampiakarana ny karaman’ny sehatra tsy miankina, raha toa ka efa nisitraka kosa ny mpiasam-panjakana. Ny 01 may 2022, iray volana katroka omaly mantsy mantsy no nilazan’ny Filoha Rajoelina, fa hiakatra ny karaman’ny mpiasa tsy miankina. Efa nisitraka fisondrotana ny mpiasam-panjakana, fa mihisatra kosa ny an’ny tsy miankina. Ny mandray karama farany ambany no nofaritana mazava fa napetraka ho 250 000Ar izany, raha 200 000Ar teo aloha. Ny latsakemboka tokony halohan’ny mpampiasa any amin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) manodidina ny 34 000Ar no asaina alefa avy hatrany any amin’ny mpiasa, ary ny fanjakana no hanefa ilay latsakemboka na “charge patronale”. Niteraka adihevitra io hoe: tena ho voaloan’ny Fanjakana ve? Tsy hisy fiatraikany any amin’ny fisotroan-dronono ve? Ny karama farany ambany no mazava, fa ny ankoatra izay baraingo tanteraka satria natsipy tany amin’ny mpampiasa hoe: arakaraka ny fahafaha-manao. Manjavozavo io, ary toa lasa misy endrika fampiadiana ny mpiasa sy ny mpampiasa. Na izany aza, efa nisy ny fifampidinihan’ny mpandraharaha nialohan’ny fihaonana tamin’ny Fanjakana ka namaritra fa 9,9% ao ny fampiakarana tokony hampiharina ho an’ny tsy miankina. Tsy mbola fantatra izay hiafarany. Inona tokoa no tsy hahasahian’ny Fanjakana mamoaka didim-panjakana amin’izay mba mazava kokoa ny saim-bahoaka? Izao lasa ny mpampiasa sy ny mpiasa no toa lasa misy ady mangatsiaka ny sasany. Nahoana no nihazakazahana ny namoaka fa hiakatra ny karaman’ny tsy miankina fa mihisatra kosa ny famahana didim-panjakana? Sa izay tokoa ilay hoe: lasa alohan’ny omby ny sarety ka ny fitadiavana doka aloha no zava-dehibe fa ny fanatanterahana mbola lavitr’ezaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT