Sosialy

Fiainana ara-pananahana Ny 37 %-n'ny Reny Malagasy no miteraka zaza tsy niriana


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Mitombo isa hatrany isika Malagasy. Tsy maharaka izay anefa ny fiakaran'ny toekarem-pirenena, hany ka miaina anaty fahasahiranana hatrany ny isan-tokantrano.

 

 

 

 

 

Ankoatra ireo vehivavy efa manan-tokantrano izany hoe miaina anaty fanambadiana ara-dalàna dia betsaka ihany koa ireo zazavavy latsaky ny 15 taona no miroso amin'ny fanambadiana aloha loatra, hany ka mitaiza tsy fidiny na dia mbola tokony hianatra aza. Faritra maro no mbola ahitana izany eto Madagasikara, antony mahatonga ireo vehivavy maro maty eo am-piterahana sy ireo zaza tsy manam-piahy eny anivon'ny fiarahamonina. Raha ny fanazavan'ny minisitry ny toekarena sy ny tetipivoarana Atoa Napetoke Marcel   tamin'ny mpanao gazety omaly  dia ny 37 %-n'ireny olona ireny no miteraka zaza tsy niriany.  Ilana fandraisan'andraikitry ny governemanta izany ka ny hany tsy maintsy hatao dia ny fanomezana fanabeazana ny olona mba tsy hiteraka maro loatra sy hampiasa ny fomba fandrindram-piterahana. Ankoatra izay dia  resena lahatra ihany koa ny olona mba hanana vatana salama sy tomady hahafahany mamokatra hoenti-miady amin'ny fahantrana.  Nivoitra ireo nandritra ilay tatitra nataon'ny UNFPA mikasika ny fahafahan'ny olona manapa-kevitra ny amin'ny isan'ny zaza ateraky sy ny fotoana hitondrany vohoka. Tetsy amin'ny hotel Carlton Anosy no nanatanterahana izany, natrehin'Atoa Constant Serge Bounda, solontena maharitry ny UNFPA eto amintsika. Nomarihin'ireto tompon'andraikitra ireto manokana moa fa azo tanterahina tsara eto Madagasikara ity tetikasa hahafahan'ny tsirairay misafidy ny isan'ny zaza haterany sy ny elanelan'ny fotoana hitondrana vohoka ity, indrindra fa  ho an'ny vehivavy. Efa maro azo isafidianana tsara mantsy ny fomba fandrindram-piterahana eto amintsika, fihetsika iray hahafahana manatsara ny toekarem-pirenena sy ny sosialy amin'ny ankapobeny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT