155 523Ar ny karama farany ambany eto Madagasikara raha toa ka 3 715 000Ar ny karaman’ny minisitra araka ny tatitra nataon’ny Transparency International Initiative Madagascar (TIIM).
Misy elanelana be, araka izany, ny karama eto Madagasikara ary ny ankamaroan’ny Malagasy anefa dia ao anatin’ilay kilasy “mitrongy vao homana”. Sahirana ny ankabeazan’ny olona eto Madagasikara ary olom-bitsy no matetika mandray karama be eto ka ny ankabeazany dia ny olona ao anatin’ny fitondrana. Tsy mahagaga raha voatarika amin’ny fahadalana toy ny halatra sy vono olona ny maro amin’ny Malagasy noho ny fahasahiranana mianjady aminy. Manoloana izany trangan-javatra izany mantsy dia hita ho mialangalana sy tsy manam-bahaolana ny fanjakana ka mety hiteraka fampitandremana ary hiafara amin’ny krizy mihitsy aza raha mitohy satria tofoka ny vahoaka. Manampy trotraka ihany koa ny fahalafosan’ny fanafody satria 75% amin’izy ireny dia mbola hafarana kanefa ny volantsika Malagasy efa hita ny fitotongany.
Tsy afaka miaina toy ny teo aloha intsony ny fianakaviana Malagasy ankehitriny. Noho ny fidangan’ny vidim-piainana no anisan’ny antony mahatonga izany amin’ny ankapobeny hany ka tsy maharaka intsony ny karama raisina isam-bolana na dia samy miasa aza ny mpivady. Voatery miditra trosa ny ankamaroany noho izany. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina fianakaviana vitsivitsy dia manodidina ny 1 hetsy Ar eo ho eo isam-bolana raha kely izany trosa izany, vidina vary iray gony sy saribao iray gony sy tapany ho an’olona efa-mianaka. Mitantara ny mikasika izay ireto olona sendra ny gazety Tia Tanindrazana ireto.
Rtoa Hortensia, Renim-pianakaviana niteraka roa : Ny anay aloha tsy ampy raha tsy 20.000 Ar isan’andro e ! indrindra taorian’ny niakaran’ny vidim-bary. Tafiditra ao daholo ny saran-dalan’ny mpianatra sy ny sakafo ary ny fandaniana madinika. Mbola mihafy nefa amin’izany a ! tsy mihinana hena isan’andro ohatra…
Atoa Solotiana, Raim-pianakaviana, niteraka iray : Ny anay telo mianaka raha hatotaly dia manodidina ny 700 hatramin’ny 800 Ar isam-bolana eo ho eo a ! Izany aza efa tsy mandoa JIRAMA sy hofantrano. Samy misakafo any am-piasana mantsy izahay mivady dia samy mandoa frais koa. Ny fandaniana amin’ny zazakely no tena mandany be.
Pati sy Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.