Sosialy

Fiainana andavan’andro Niaka-bidy avokoa ny vary, menaka ary siramamy


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Niaka-bidibe indray Tena sahirana ny vahoaka Malagasy. Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tato ho ato, indrindra fa ny vary.

Raha araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo tsena maro isan-tsokajiny ohatra omaly dia nahitana fiakarany 150 Ar be izao ny iray kapoaka amin’ny fotsim-bary. Raha mbola 650 Ar tamin’ny tapa-bolana lasa ny iray kapoaka amin’ny vary makalioka sy vary gasy dia tafakatra 800 Ar izy amin’izao eny an-tsena. Raha mbola 4.500 Ar ny iray kilao tamin’ny siramamy fotsy tamin’ny herinandro dia efa tafakatra 5.000 Ar izany amin’izao. Ho an’ny menaka madio fanendy indray raha mbola 8500 Ar ny iray litatra tamin’ny herinandro dia efa 10.000 Ar amin’izao. Ny tena mampitaraina ny mpanjifa, indrindra fa ireo tsy dia salama loatra ka tsy maintsy mampiasa ireny menaka voavaotra ireny dia ny fiakaran’ny vidiny ihany koa. Ho an’ny huilor manokana dia efa mahatratra 15.000 Ar amin’izao ny iray tavoahangy mihidy raha mbola 10.000 Ar izany teo aloha. Ankoatra ireo voatanisa rehetra ireo dia niaka-bidy be ihany koa ny voamaina, ny savon.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT