Sosialy

Fiainana andavanandro Niaka-bidy avokoa ny PPN


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Niaka-bidy avokoa ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ny PPN eny an-tsena. Tato anatin’ny roa herinandro no tena nahitana izany, raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpivarotra enta-madinika etsy Isotry sy Anosibe.

 

 

 Anisan’ny tsy nampoizin’izy ireo ary mampitaraina ny maro ny fiakaran’ny vidin’ny menaka. 4.400 Ar teo aloha no vidin’ny iray litatra nefa tafakatra 5.100 Ar ankehitriny ho an’ireo menaka mandeha an-tsinjarany. Ao koa ny lafarinina izay lasa 100.000 Ar ny iray gony milanja 50 kg ankehitriny nefa 80.000 Ar teo aloha. Hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidin’entana noho ny olana sedrain’ireo mpamatsy eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Saika manana olana amin’ny famoahan’entana avokoa ny ankamaroan’izy ireo, raha ny fantatra hatrany. Mikasika ny siramamy manokana dia nahitana fiakarany 100 Ar isaky ny kilao ihany koa ka lasa 2.500 Ar ny vidin’ny iray kilao ankehitriny raha 2.400 Ar teo aloha. Misy fiantraikany amin’ny vidin’ny mofo sy ny kafe hamidy eny an-tsena sahady moa  ireo fiakaram-bidin’ny  PPN ireo amin’ny ankapobeny.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT