FIAINANA ANDAVANANDRO

Marin-toerana na somary nihena aza ny vidim-bary


  • Alatsinainy 02 Martsa 2026

Nahitana fihenany ny vidin'ireo kojakoja

ilaina amin'ny fiainana andavanandro tato anatin'ny 3 herinandro izao raha araka ny fanadihadiana natao teny an-tsena. Raha tsiahivina anefa dia vanim-potoana tena mampidangana ny vidin'entana ny vanim-potoanan'ny maitso ahitra tahaka izao eto amintsika. Nahitana fihenany 400 Ar isan-kilao ohatra ny vary gasy sy ny makalioka. Raha 3.800 Ar izany teo aloha dia lasa 3.400 Ar ankehitriny. Nahitana fidinany 400 Ar isan-kilao ihany koa ny siramamy raha mari-toerana ny vidin'ny menaka. Mikasika ny vary manokana dia nambaran'ireo mpivarotra fa vokatry ny fitobahan'ny vary hafarana avy any ivelany no mampidina ny vidin'ny vary rehetra eto an-toerana raha manampy izany ny fiakaran'ny vary aloha. Efa malalaka rahateo hoy ireo mpivarotra hatrany ny asan'ireo mpandraharaha noho izy ireny afaka manafatra avokoa fa tsy tahaka ny teo aloha izay fehezin'olon-tokana. Mahatsiaro ho afa-pahasahiranana kely ny isan-tokantrano noho izany. Samy nanamafy moa ireo nanontaniana fa mijery ny sosialim-bahoaka kokoa izao Fitondrana izao noho ny fitondrana mpanao jadona teo aloha izay matin-drendrarendra fotsiny.
Pati
Légende : Efa mba azo hiainana ny vidim-bary eny an-tsena amin'izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT