Sosialy

Fiainana andavanandro Malagasy 16 tapitrisa tsy mahazo rano fisotro madio


  • Talata 15 Desambra 2020

Tafiditra ao anatin’ny zo fototra maha-olona ny fahazoana rano fisotro madio.

 

 

 

Eto Madagasikara anefa dia Malagasy 16 tapitrisa no tsy misitraka rano fisotro madio. Araka ny tatitra avy amin` ny Water Aid, 75% no tsy misitraka ny rano fisotro madio. Voatery manao maloto ankalamanjana ny 40%n` ny mponina kanefa ireny maloto ireny dia mivarina any amin`ny rano sotroina ka miteraka aretina maro. 77%n` ny Malagasy tsy mba manana fitaovana hanasana tanana amin`ny rano sy savony hany ka miaina anatin` ny loto sy mikraoba tanteraka. Manoloana izao fiparitahan` ny valanaretina Covid 19, 20 tapitrisa tsy manana fanasana tanana akory kanefa io fanasana tanana amin` ny savony io no fiaroavna tsara indrindra amin`izany areti-mandoza izany. Izany rehetra izany no mahatonga an`i Madagasikara mitazona ny laharana faha-3 amin` ny fananana fotodrafitrasa ratsy indrindra amin`ny famatsiana rano maneran-tany ka miteraka tsy lavorariana amin` ny WASH (Eau-Assainissement- Hygiène) ho an`ireo ivon-toerana misahana ny fahasalamana araka ny tatitra avy amin` ny UNICEF. Mba hiatrehana io olana io dia mamporisika sy manohana ny fampandrosoana modely maharitra toy ny fampidirana WASH, programa momba ny fahasalamana sy ny sakafo ny UNICEF amin'ny alàlan'ny fanomezana sy fampiasana ireo fotodrafitrasa WASH any amin'ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra, sekoly, tobim-pahasalamana. fahasalamana sy sakafo mahavelona. Mifandray akaiky amin’ny fanjarian-tsakafo rahateo ny fahafahana mahazo rano azo antoka, hosotroina, handrahoana sakafo sy hisasana. Marihana fa tsy nahitàna fiakarana firy ny tetibolan` ny minisiteran` ny rano ao anatin` ny PLFI 2021 entina hitsinjovana ny famatsian-drano fisotro sy ny tetikasa momba ny fahadiovana sy ny fidiovana. Ho sarotra ihany ny hanatrarana ny tanjona napetraka amin` ny 2030 momba ny fampandrosoana lovainjafy raha izao no mbola mitohy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT