Sosialy

Fiainan-dRamalagasy Miha tsy zaka hatrany ny olana sosialy


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Miha tsy zaka hatrany ary maha sorena ny maro ankehitriny ny olana ara-tsosialy miseho lany eto amin’ny firenena.

 

“Tapaho ihany ny jironay, tapaho koa ny rano, apiakaro hatrany koa ny vidin-javatra, kitikitio ihany ny vodin-tsoavaly!”, hoy ny fanehoan-kevitra iray tao anaty tambazotran-tserasera tao manoloana ity fahatapahan-jiro sy rano efa tafahoatra sy vidim-piainana miakatra isan’andro ity. Vao niandoha kelikely moa ity taona ity dia efa nanambara ny mpahaitoekarena toa an-dry Serge Zafimahova fa mananontanona ny fipoahana ara-tsosialy. Ny tsikaritra sy mampametra-panontaniana nefa dia tsy hita taratra hatramin’izao ny tena vahaolana maharitra entin’ny fitondram-panjakana hamahana ireo olana ara-tsosialy maro eto amin’ny firenena rehefa tsy hampihatra ny vahaolana atolotr’ireo ivelan’ny fitondram-panjakana ihany. Kere na hoe fahoriana ara-drano sy sakafo no misy ao amin’ilay toerana kanefa dia “piscine olympique” sy kianja manara-penitra no mahamaika ny fitondrana hapetraka. Dradraina hatrany fa ireo tolotolotra mandalo tsy mahavita taona toy ny tosika fameno, kaly tsinjo, Paositra fameno no efa vahaolana entin’ny fitondrana hamahana izany kanefa efa iaraha-mahita ankehitriny hoe hatraiza no fetrany? Samy miandry fahagagana ny rehetra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT