FIAINAM-PIRENENA SY NY FIVAVAHANA

Tena misy hifandraisany !


  • Zoma 21 Martsa 2025

Tena misy hifandraisany ny fiainam-pirenena sy ny fivavahana.

Toraka izany koa ny finoana sy ny fanaovana ny fahamarinana. Rehefa tena voavolavolan’ny finoana sy ny fivavahana mantsy ny olona iray dia tsy ho sarotra aminy ny handala ny fahamarinana ary hampihatra izany eo amin’ny fiainany manontolo. Tafiditra ao anatin’izany ny fiainam-pirenena izay hitondrana sy hitantanana vahoaka hatrany amin’ny 26 tapitrisa ho an’ny mpitondra ho antsika eto Madagasikara. Foana ho azy ny fitiavantena hameno paosy fotsiny. Toraka izany ny fitiavan-tseza izay hahavitana manafaka ain’olona mihitsy ho an’ny sasany raha eo ihany koa ny fijerena ny tombontsoan’ny tena manokana. Fototry ny fandrosoan’ny firenena iray ihany koa ny finoana. Rehefa mino mantsy ny mpitondra sy ireo olona ao aminy dia mahavita zavatra ary misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena mivantana izany. Mino fa handresy na inona na inona olana sedraina… Voakasik’io avokoa na finoana an’ilay mpahary na ny finoana nentim-paharazana izay samy manana ny lanjany sy ny toerany. Fehiny, tsy afa-misaraka amin’ny fiainam-pirenena ny fivavahana sy ny finoana ary ny fanaovana ny fahamarinana noho izany samy tsy misy tokony hatao tsinontsinona. Mba ahitana taratra izany ve eto amintsika. Mpino sy milaza ho mpandala ny fahamarinana avokoa anefa ny ankamaroan’ny mpitondra.
Pati
Legende : Mamotika ny firenena ny tsy fahaizana mijery ny mpiara-belona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT