Fiainam-pirenena

Mitombo ny fahantrana, mitombo ny hadalana


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Mitombo hatrany ny fahantrana eto Madagasikara, ary toa mitombo koa ny hadalana amin’ny fitantanana ny firenena,

miha mivaralila ny fiainam-bahoaka. Raha tokony ho fandraisana andraikitra sy fitadiavana vahaolana maharitra no ataon’ny mpitondra, dia mbola manjaka ny fitantanana tsy matotra, kitsapatsapa, laharam-pahamehana sadasada raha tsy hilaza afatsy ny teleferika, lac Iarivo,… Politika feno fampanantenana poakaty, drafi-pitantanana sy programa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, ary fanapahan-kevitra tsy voahevitra tsara no hita amin’ny sehatra maro. Manginy fotsiny ny mpitondra mamoaka fiteny sy firesaka hafahafa toa mampieritreritra ihany hoe : tena natao am-piasainana sa tena tsy fahazakana tazom-pahefana na iniana atao mihitsy hanodinana saim-bahoaka na handranitana vahoaka ? Taiza teto ambonin’ny tany ohatra no nisy olona ambony sahy nilaza taratry ny fananan-karena ny toham-boivoy ? Toe-draharaha politika efa mangotraka, mpitondra efa tsy mahomby, fa mbola misy sahy mihantsy hoe : tsy misy vahoaka maharesy basy. Ny tena loza dia zary lasa tsy maha rototra ny olom-pirenena intsony ireny, fa toa miha miara-mivaona. Mitombo ny fahalemen’ny vahoaka, mitombo ny adalan’ny mpitondra. Rehefa miaina amin’ny fiainana tsy miraharaha sy tsy mandray andraikitra amin’ny fireneny ny olona, dia mpitondra sahala amin’izany ihany koa no manao izay danin’ny kibony eo. Raha ny lalàna dia tokony hampihatra fifandanjana sy fangaraharana amin’ny fitantanana firenena, saingy toa mivadika ho fitaovana anjakan’ny tombontsoa manokana ireo andrim-panjakana hany ka na ny mpanatanteraka na ny fahefana mpanao lalàna izay tokony ho mpanara-maso azy dia lasa mpitsikombakomba. Andaniny, lasa mahazatra ny vahoaka ny mahita kolikoly, fanararaotam-pahefana, fangoronana harem-pirenena, nefa toa tsy misy sahy manohitra intsony. Mandritra izany, mitombo ihany koa ny tranga sy toe-tsaina maneho fahantrana sy fahapotehana ara-piarahamonina: firongatry ny fidorohana zava-mahadomelina, fahazarana miaina anaty tsizarizary, ny herisetra, vono olona mahatsiravina, fanolanana, mpianaka mifamototra,… Raha mitohy izao toe-draharaha izao, dia tsy hisy fiovana fa vao mainka hihamafy ny fahapotehana. Ny vahaolana dia miainga amin’ny fanabeazana, fifohazan’ny vahoaka, fanovana toe-tsaina, fitakiana fitantanana mahomby avy amin’ny mpitondra,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT