Sosialy

Fiainam-pirenena Mampanahy tanteraka ny hoavin’ny taranaka


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Mampanahy tanteraka ny hoavin’ny taranaka Malagasy rehefa mijery ny fivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Handova dezaka eto isika moa,

hoy ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina, Dama na Zafimahaleo Rasolofondraosolo, izay teto amin’ny gazetintsika tamin’ny taona 2016. Nitotongana hatrany ny fiainan-dRamalagasy. Miiba -7,1% ankehitriny ny harin-karem-pirenena. Avo roa heny tao anatin’ny fotoana fohy ny sondrom-bidim-piainana, raha kely indrindra, hoy ireo sendikan’ny mpiasa. Feno trosa tsy voahefa amina miliara ariary ireo sampan-draharaham-panjakana maro. Manginy fotsiny ny trosan’ny firenena malagasy amin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena sy firenena samihafa lazaina fa mpiara-miombon’antoka ihany koa. Mbola hisy tany azo hipetrahana tongotra malagasy ve eto afaka 10 taona, hoy ilay mpanao politika iray izay nialohan’ny nodiany any amin’ny mandrakizay? Firifiry tokoa moa ireo aditany hifanaovana Malagasy amina teratany vahiny toy ny sinoa sy karana amin’izao fotoana izao kanefa na dia raharaham-pitsarana mbola mandeha eny amin’ny tribonaly sy efa namoahana didy fampiatoana fananganana fotodrafitrasa aza dia mbola hanohizan’ireo teratany vahiny ny fanorenany ihany? Firifiry ihany koa izay tany na trano lasan’ny vahiny teto izay? Mampanahy!

J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT