Sosialy

Fiainam-piarahamonina Ny Malagasy mihitsy ve no tsy te handroso ?


  • Zoma 08 Febroary 2019

Firenena sahirana isika ary mbola “miady amin`ny kapoaka”. Raha ny fiainan`ny ankamaroan`ny Malagasy no jerena akaiky dia feno fanaratsiana, fihatsarambelatsihy, kolikoly, fitiavan-tena…

 

 Hita taratra amin`ny trangam-piarahamonina isan-karazany izany. Ao anatin`ny fitadiavana filana fototra toy fisakafoanana ara-dalàna, tsy feno sy tsy afa-po ny ankamaroan`ny olona. Rariny raha samy mitady izay ho an`ny tenany aloha. Raha ny hevitry ny mpandinika fiarahamonina iray, ireo voalaza ireo no mitarika ny fitiavan-tena. Lasa tsy mitsinjo ny hafa intsony rehefa diso mifantoka loatra amin`izay hahasoa sy hahafinaritra ny tena fotsiny. Ny kolikoly indray dia mandray lafin-javatra betsaka, hoy ihany izy. Eo ny toe-tsaina tia kely, ho an`ny mpandray tsolotra. Miharo fanararaotam-pahefana ilay izy indraindray. Mbola tafiditra ao anatin`ny fahantrana sy ny fitiavana te hanam-be ihany koa izany. Na eo aza ny lamina mipetraka dia toa zary tia manasaro-javatra, hany ka lasa voatery manao kolikoly mba hanafainganana ny zavatra atao. Ny Malagasy dia mitady ny sitrany ahay foana mba hitomboan’ny eo am-pelatanana. Tsy mahagaga raha gaboraraka ny fitantanana ny firenena. Misy hatrany foana ny mampirisika fa rehefa hanatanteraka ilay asa iombonana dia tsy misy hita. Sao ny Malagasy ary no tsy te handroso ?

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT