Mitombo isa ireo olona mamoy ny ainy eny an-dalana eto amintsika.
Tranga miisa 2 no niseho ny faran'ny herinandro teo. Lehilahy iray tokony ho 42 taona ohatra no maty teny Ankazomanga, kaominina Antananarivo renivohitra ny Sabotsy 23 Aogositra lasa teo. Tsy fantatra mazava izay nahazo ity lehilahy ity. Izy efa hita nitolefika sy tsy afa-nitsangana intsony no nisy nahita kinanjo efa afaka ihany koa ny ainy. Efa naterina eny anivon'ny tranom-patin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny razana. Vehivavy iray manodidina ny 40 taona ihany koa andro vitsy lasa izay no hita efa tsy nisy aina intsony teny Imerintsiatosika teny. Amin'ny ankapobeny dia vokatry ny fiakaran'ny tosi-dra ateraky ny adin-tsaina, ny aretina lalaovina noho ny tsy fisiana, ny hanohanana maharitra...no antony mahafaty olona tampoka eny an-dalana tahaka izao, raha araka ny fanazavan'ny mpitsabo iray. Noho ny hasarotan'ny fiainana avokoa no mahatonga izany. Miasa saina ny ankamaroan'ny olona na ao an-tokantrano na eny am-pandehanana hany ka tsy zakan'ny herikely ao anatiny intsony izany. Ny tsy fahampian'ny hanin-ko hanina tsy lazaina intsony mbola ampian'ny dia an-tongotra isan'andro....Efa indray mandeha isan'andro mantsy sisa amin'izao no mba misakafo ny ankamaroan'ny Malagasy.
Pati
Légende : Ity ilay lehilahy namoy ny ainy teny Ankazomanga ny Sabotsy teo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.