Sosialy

Fiahiana sosialy eto Madagasikara Tsy mahaliana firy ireo mpiasa latsaky ny 40 taona


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Tsy mbola fantratry ny mpiasa ny vokatsoa azo avy amin’ny fiahiana ara-tsosialy, hoy ny solontena malagasy nahazo ny laharana faharoa nandritry ny fifaninanana afrikanina mikasika izany nokarakarain’ny CIPRES

na “Conférence interafricaine de la prévoyance sociale”, Lira Mejatiana Ravalison, hany ka tsy marisika izy ireo hiditra amin’izay resaka fiahiana sosialy izay. Dieny mbola mpianatra sy eny amin’ny oniversite ny ankizy, hoy izy, dia tsara ampahalalana ny mikasika ny atao hoe fiahiana sosialy satria tsy ampy ilay fahalalana. Anjaran’ny CNaPS ny manao ny fanavaozana tokony atao. Mbola marefo ny sosialy eto Madagasikara. Ny fitiavana sy fandalana ny fihavanana no fototra nanorenana fiahiana sosialy, raha ny ara-tantara. Isan’ny endrik’izany ny “Atero ka alao” sy Valintanana. Ny 80%n’ny mponina maneran-tany no mbola tsy misitraka fiahiana ara-tsosialy. Ho an’I Madagasikara manokana dia ireo mpiasa latsaky ny 40 taona no tena hita ho saika mbola tsy liana amin’izay resaka sosialy izay, hoy hatrany ny tatitra nataony sy fanazavany.
J. Mirija
Legende: Lira Mejatiana Ravalison, nitatitra ny voka-pikarohany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT