Sosialy

Fiahiana sosialy 12%n’ny mponina hatreto no misitraka


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Miroso amin'ny fanatanterahana sy ny fametrahana ny tetikasa Fiahiana sosialy amin'ny faritra miisa 23 manerana an'i Madagasikara ny minisiteran'ny mponina raha faritra 15 no mbola misy an'izany amin'izao,

hoy ny tale jeneralin'ny Fiahiana sosialy, Ghisbert Rivomanana. Hanatrarana izany, hanenika an'ny faritra 23 ny fitaleavam-paritry ny minisiteran'ny mponina raha 15 ihany izany amin'izao, hoy ny fampitam-baovao. Hatreto, 12%n'ny mponina tena sahirana manerana an'i Madagasikara ihany no mbola misitraka fiahiana sosialy. Kendrena araka izany ny hampiakatra io taha io ho 15% amin'ity taona ity, hoy hatrany ity tale jeneraly ity. Ankoatra ny tohana ara-tsakafo na ara-bola amin'ny alalan'ny "mobile banking" entina hanatsarana ny fiainan'ny olona maro dia misy koa fanamafisana traikefa atolotra azy ireo sy ireo mpisehatra amin'ny fanatanterahana izany. Atao ity farany, entina hitaizana ny mpisitraka ny fiahiana sosialy hampiasa araka ny tokony ho izy ny fanampiana. Natao koa hanentanana azy ireny izay any ifotony mba tsy hanary fotsiny ny fanampiana azony fa hampiasa izany ahazoana vokatra tsara. Nanomboka omaly 14 febroary ary aharitra 6 andro dia misy ny fanamafisam-pahaizana homena ny talem-paritry ny mponina izay iresahana ny tontolon'ny serasera izay andry iankinan'ny fanapariahana ny lanjan'ny fiahiana sosialy. Raha tsiahivina, vao neken'ny banky iraisampirenena ny 21 desambra teo ny famatsiana ara-bola mitentina 250 tapitrisa Dolara hanampiana ny fanjakana malagasy amin'ny fampitomboana ny isan'ny olona tena marefo hisitraka fiahiana sosialy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT