Sosialy

Fiahiana ny vehivavy sy ny ankizy Hifanome tànana ny UNICEF sy ny Vondrona Axian


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

sy Atsimo Rtoa Etleva Kadilli, hatramin’ny omaly Alarobia 24 Aprily. Taorian’ny diany tany amin’iny distrikan’Ambovombe iny dia nanatanteraka fivoriambe niarahana tamin’ny vondrona Axian indray ny tenany roa andro izao, teny amin’ny Galaxy Andraharo. Nivoitra nandritra izany ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka matanjaka hahafahana manatratra ny tanjona hatramin’ny taona 2030 dia ny hisian’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara indrindra fa ny ady hatao amin’ireo karazan’olana mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy. Maro ireo karazana paikady nivoaka nandritra izany. Lohalaharana amin’ireny ny fitadiavana hevitra hiarovana ny tovovavy kely tsy hanambady aloha loatra indrindra ny any amin’ny faritra Atsimo sy ny mba hananan’izy ireny fahaleovantena ara-bola hahafahany mivelona. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fampitomboana ny zaza miditra an-tsekoly sy ny fisitrahany ireo karazana zo tokony ho azony. Nanamafy ny UNICEF fa efa tafiditra ao anatin’ny paikadin’izy ireo izany ary hohamafisiny manerana an’i Afrika saingy matoky ny vondrona Axian kosa izy ireo mba hifanome tanana aminy. Taorian’ity fivoriambe ity moa dia fantatra fa nitety ireo sekoly miisa 42 eto Antananarivo miara-miasa amin’ny Vondrona Axian ny UNICEF hahafahana mampifandray ny roa tonta sy nifanakalozana hevitra tamin’ireo mpianatra.
Pati
Legende : Ireo delegasiona nikaon-doha avy amin’ny UNICEF sy ny vondrona Axian !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT