Fiahiana ny mponina marefo any Atsimo

Namita iraka teto ny iraky ny Amerikanina Stephanie Arnold


  • Talata 22 Aprily 2025

Nanateraka iraka teto Madagasikara i Stephanie Arnold, Filoha lefitra misahana

ny iraka avy amin’ny Fanjakana Amerikanina eto amintsika, niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny USAID sy ny masoivoho amerikanina eto amintsika. Niazo ny tapany Atsimon’ny Nosy ny 14 ka hatramin’ny 17 aprily, mba nijery akaiky ireo hetsika natao hanohanana ireo fiaraha-monina tra-boina vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Ity fitsidihana ity dia nanasongadina ny ezaka iraisan’i Etazonia, ny PAM (Programme Alimentaire Mondial), ny UNICEF ary ny fitondram-panjakana malagasy, hoy ny tatitra. Miara-miasa ireto mpiara-miombon’antoka ireto mba hanamafisana ny faharetana sy fiatrehan’ny mponina ny zava-misy, hanatsarana ny fiarovana ara-tsakafo ary hampiroborobo ny fihinanana sakafo mahasalama. Anisan’ireo tetikasa lehibe notsidihina ny fitantanana ny trano fitehirizana entana ao Fort-Dauphin, ny fizarana sakafo mandritra ny fotoanan’ny haintany ary ny vahaolana manavao toy ny tobim-pahefana azo avy amin’ny masoandro, izay tena manova fiainana any amin’ny faritra ambanivohitra. Ity fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny PAM sy ny USAID ity dia taratry ny fanoloran-tena iombonana hanome fanohanana mazava ho an’ireo fiaraha-monina marefo indrindra, ary koa hanandratra vahaolana maharitra amin’ireo fanamby ateraky ny fiovan’ny toetr’andro. Indrisy anefa fa efa andalam-pifaranana ny USAID saingy asa raha mba efa manana politika sy vahaolana hiatrehana ny fahabangany ny fitondrana Malagasy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT