Sosialy

Fiahiana ny ankizy sy ny sembana Nifampidinika ireo masoivoho sy ny minisitry ny mponina


  • Alarobia 18 Mey 2022

Miroso hatrany amin’ny fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialin’ireo ankizy sy olona manana fahasembanana ny Ministeran’ny Mponina.

Nitafatafa tamin'ireo Masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara sy ireo mpiantsehatra amin'ny Fiahiana ara-tsosialy ho an'ny ankizy ny Minisitry ny mponina Soafilira Princia omaly, notronon'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Randriamandrato Richard. Nanamafy ireo Minisitra iraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa laharam-pahamehana ho an'ny fitondram-panjakana ny fiahiana ireo ankizy izay ho avin'ny firenena. Tsiahivina moa fa efa ao anatin’ny fanatanterahana ilay tetikasa Zara Mira ny ministeran’ny mponina ankehitriny. Tokantrano miisa 1643 ao amin'ny kaominina ambanivohitra Tataho any amin’ny distrikan’i Manakara sy tokantrano miisa 7000 ao Ifotaka any Amboasary no misitraka izany ka ireo ankizy madinika sy ny vehivavy no ezahina hahazo tombontsoa voalohany amin’izany. Ankoatra ny fanampiana tahaka izao moa dia anisan’ny hangatahina amin’ity ministera ity ihany koa ny fijerena ireo sahirana sy mpatory an-dalana eto an-drenivohitra izay tena tsy mitsaha-mitombo.
Pati
Legende : Ny Minisitry ny mponina Soafilira Princia
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT