Sosialy

Fiahiana ara-tsosialy Ny politikan’i Arizaka Rabekoto Raoul ihany no ampiharina


  • Talata 07 Mey 2019

Fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny toromarika tsy maintsy hanaovan’ny orinasa sy ny mpampiasa fiantohana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa.

 

 

 Nivoaka tao anatin’ny fahanginany manoloana an’io ny Tale Jeneralin’ny CNaPS Atoa Arizaka Rabekoto Raoul, izay nanamafy sy nampahatsiahy fa tetikasa efa tamin’ny androny io. Taona vitsivitsy izay no efa vita ny fandalinana samihafa nentina nandinihana azy io sy ny fampiharana, ary efa nipetrapetraka tanteraka sy azo ampiharina. Nivoitra tamin’izany ny tokony hanaovana fiantohana ara-tsosialy ny tantsaha mpamboly, ny mpanjono, ny mpanao asa tanana, ny mpivarotra,… Hatramin’izao anefa dia zara raha misy 25000 olona misehatra amin’ny tontolon’ny fambolena no misitraka fiahiana ara-tsosialy, kanefa ny 80% amin’ny Malagasy no tantsaha. 63 530 kosa ny Malagasy misitraka izany raha ny antontan’isa farany tamin’ny 2018. Tena nety sy efa nampiharina any amin’ny firenen-kafa io, ary tsy tokony ho nisy olana teto Madagasikara. Nolavin’ny filankevi-pitantanana anefa izy io tamin’izany fotoana. Manatanteraka ny zavatra efa nodinihina tamin’ny andron’io Tale jeneraly nesoriny io ny fanjakana ankehitriny, ka miara-misalahy ao ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola, ny minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy miara-miasa amin’ny CNaPS, ka namarana tanteraka ny fandinihana tokony ho natao ary hiroso amin’ny fampiharana. Tsy misy zava-baovao natao fa ny fanatanterahana ny efa nohalalinina no natao. Marihina fa 3 volana no nomen’ny fanjakana hanentanana ny mpampiasa, ka aorian’izay dia tsy maintsy hampisitrahana fiahiana ara-tsosialy ny mpiasa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT