Vinan’ny CNaPS ny hanome fiahiana ara-tsosialy ny mpamokatra ka mahatonga ny Tahirim-pirenena mandray anjara mavitrika isaky ny misy sehatra iarahana amin’ny tantsaha toy ny tamin’ny « andron’ny ronono » teny Alasora ny 1 hatramin’ny 3 jona lasa teo.
Tsy mbola misy rafitra mandrindra ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa tena sy ny tantsaha eto Madagasikara. Ny mpamokatra izay miasa mafy na mpamboly na mpiompy na mpanjono. Toy ny olombelona rehetra anefa dia mety reraka sy osa izy ireny ary mihalefy ny hery entiny miasa. Rariny loatra raha mila tohanana ara-tsosialy ny tantsaha ary omena fiahiana toy ny mpiasa rehetra, hoy ny filoha lefitry ny MDB (Malagasy Dairy Board) Atoa Rakotondrambola Solofonirina : « ireny mpamokatra ireny rehefa tanora izy dia matanjaka, fa rehefa manomboka osa izy dia tsy afaka mamokatra dia lasa mikorosy fahana ny fiainany, noho izany dia ilainany fiahiana ara-tsosialy ho an’ireny tantsaha ireny ». Manoloana izany dia vinan’ny CNaPS ny hametraka rafitra fisotron-dronono ho an’ny tantsaha mpamokatra. Betsaka ny dingana efa natao toy ny fiarahan’ny CNaPS niasa tamina orinasa vahiny antsoina hoe RSI any Frantsa ny taona 2012 ; ny fiaraha-miasa tamin’ny minisiteran’ny fambolena sy ny Tranoben’ny Tantsaha ny taona 2013 ka nanatanterahana fanadihadihana tamin’ny faritra 13 teto amin’ny Nosy ; ny fanamboarana volavolan-kevitra momba ny fisotron-drononon’ny tantsaha. « Ho an’ny CNaPS izany dia efa misy karazana vahaolana ihany amin’izao fotoana izao dia ny fampandraisana andraikitra ny kaoperativa izay mijoro eo amin’ny toeran’ny mpampiasa, ka ireo mpikambana ao anatiny no raisina ho mpiasa. Dia izay no vahaolana eto aloha atolotra ho an’ny tantsaha. Fa efa eo am-piketriketrehana ny fiahiana ara-tsosialy manokana ho an’ny tantsaha sy ny mpiasatena ny CNaPS amin’izao fotoana izao. », hoy Rakotomalala Yvan mpandrindra ny sampan-draharaha eo anivon’ny CNaPS .Efa azo tanterahina tsara arak’izany ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny kaoperativan’ny tantsaha ary afaka manatona eny amin’ny birao sy masoivohon’ny tahirim-pirenena ireo kaoperativa nampamboly na mpiompy na mpanao asa tànana satria « anio mikarakara, ampitso manan-jara ».
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.