Sosialy

Fiahiana ara-tsosialy ho an'ny mpamily sy resevera Miara miasa ny CNaPS, UCTS ary ny TEC Company


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Tontosa omaly tetsy amin’ny CNaPS Ampefiloha ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny CNaPS sy ny UCTS ary ny TEC Company ny amin’ny fametrahana GPS ireo fiara

 

 

 

 

fitaterana mivondrona ao amin’ny Union des Coopératives des Transports Standarisés ary

andraisan’ny CNaPS an-tànana ny fiahiana ara-tsosialin’ireo mpamily sy ny mpanampy.

ampidirana mpikambana ao amin’ny CNaPS ireo  mpamily, ny mpanampy azy, ny tompona fiara

mba hisitraka fiahiana ara-tsosialy. Maro ny tombony ara-toe-karena azo vokatr’ity fiaraha-miasa ity  satria dia azo arahi-maso ireo fiara amin’ny alalan’ny GPS, ary mahazo fihenam-bidy izy ireo amin’ny tranom-piantohana. Tombony ho an’ny mpandeha kosa ny tsy fahafahan’ny fiara fitaterana miverin-dàlana. Ary tombony ho an’ny mpamily sy ny mpanampy azy ny fahazoana fisotron-dronono rahatrizay tonga  ny fahanterana ary raha sanatria ka tra-doza amperin’asa izy ireo dia ny ambulancen’ny CNaPS no hitatitra azy hankany amin’ny hopitaly ary handray an-tànana ireo mpandeha maratra ka mpikambana feno sy ara- dalàna ao amin’ny CNaPS. Ny fitaterana eto amin’ny manodidina an’Antananarivo na suburbaine no hanombohana ity hetsika ity

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT