Sosialy

Fiahiana ara-tsosialy CNaPS – SASS Notohizana tany Andapa ny fampiofanana


  • Zoma 20 Septambra 2019

« Aoka ny hasasarany ho azony araka ny fifanarahana », hoy ny inspecteur de travail Randrianarijaona Charles Emilson lehiben’ny sampandraharaha SASS (na service d’Action Sanitaire et Sociale) eo nivon’ny CNaPS tao Andapa tamin’ny fanombohana ny fampianarana momba ny Lalànan’ny Fiahiana ara-tsosialy.

 

 

Ahitana mponina miisa 330 000 ao Andapa izay mielipatrana amin’ireo kaominina 21

ka ao anatin’izany ireo mpiasa mpikarama izay ahian’ny CNaPS ny fiahiana ara-tsosialiny. Tsy maintsy soratana CNaPS ary hatao ara-dalàna ny fifanekena arak’asa ary soritana ao anatin’izany ny asa iandraiketana, ny sokajy misy azy ary ny karama. Adidin’ny

mpampiasa miaraka amin’ny fanefana ny latsakemboka izay 13% ho an’ny mpampiasa ary 1% ho an’ny mpiasa raha sehatr’asa ankapobeny. Raha sehatry ny fampianarana kosa dia

8% ny an’ny mpampiasa ary 1% ny an’ny mpiasa. Vontoatin’ny fampianarana notanterahin’ny teknisian’ny CNaPS Andapa ireo. Ankoatra izay dia nampahafantarina ny mpiofana ihany koa ireo karazana tolotra ahitana ny fanampiana ny fianakaviana, ny

fandraisana an-tànana raha tra-doza na marary vokatry ny asa ary ny fisotron-dronono rahatrizay tonga ny fahanterana. Tsy tongatonga ho azy ireo zo ireo fa mila adidy, ny mpampiasa mila manefa sy mandrotsaka ny vola latsakemboka any amin’ny CNaPS fa ny mpiasa koa mila mitaky sy manara-maso ny zony ary mikarakara ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fangatahana fanampiana. Angatahina avokoa mantsy ny fanampiana rehetra ao amin’ny CNaPS. Tsy maintsy angatahina amin’ny alalan’ireo antontan-taratasy fenoina izany na dia efa mpikambana sy mandoa latsakemboka tsy tapaka azy ny mpampiasa sy ilay mpiasa. Efa misy ny taratasy fenoina izay alaina maimaimpoana eny anivon’ny biraon’ny CNaPS, miampy ireo taratasy fitazomana ny zo izay karakarain’ny mpiasa sy ny vady aman-janany toy ny fanamarinana ny maha mpianatra (certificat de scolarité) izay mila aterina any amin’ny CNaPS mba hahazoana ny volan-jaza, ny fanamarinana fahavelomana (certificat de vie) ho an’ny mpandray fisotroan-dronono hahafantarana fa mbola velona ilay zokiolona mandray ny fanampiana, sy ny maro hafa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT