Sosialy

Fiahiana ara-tsosialy CNaPS Hiakatra ho 6 000 ariary ny volan-jaza


  • Zoma 19 Jolay 2019

Hiakatra ho 6.000 Ariary ny volan-jaza amin’ny volana aogositra ho avy io raha nanomboka nihatra izany ny volana mey lasa teo ary tsy mitsahatra miova ho amin’ny tsara ny fanampiana omen’ny CNaPS ireo mpikambana ao aminy.

 

 

Fantatra ireo tany Toamasina nandritra ny fampiofanana nomen’ny CNaPS ny fianakaviamben’ny mpiasam-piangonana eo anivon’ny FLM Synodam-paritany Toamasina. Tonga niatrika ny fiofanana tao amin’ny FLM Morarano ny Pastora, ny Katekista, ny kandida Pastora, ny mpiasam-piagonana niisa 40 mahery ka notarihan’ny Presida Synodan’i Toamasina Pastora Toto Rija Chrysostome Joseph. Nitarika ny delegasionan’ny CNaPS Atoa Hiaja Rakotoarison talen’ny vola eo anivon’ny CNaPS foibe ary ny Contrôleur  2 eo anivon’ny masoivohon’ny Tahirim-pirenena ao Toamasina. Nambarany fa ny zo sy ny adidy ary ny andraikitra tokony ho fantatry ny mpiasam-piangonana momba ny fiahiana ara-tsosialy no natosaka tamin’ireo mpiofana .Ny fifanampiana sy ny fifamenoana ataon’ny mpikambana no maha zava-dehibe ny fanampiana omen’ny CNaPS ao anatin’ny fiahiana ara-tsosialy. Lohahevitra 5 no nampahafantarina ireo mpandray anjara fa ny tena nahaliana azy ireo dia ny hahazo ny fisotroan-dronono sy ny fanampiana amin’ny loza vokatry ny asa. Maro mantsy no nijoro vavolombelona amin’ireo loza nihatra taminy teo am-panatanterahana ny asam-piangonana. Nanamafy moa ny Prezidà Synodaly ao Toamasina fa vonona ny FLM hampiditra ny mpiasany ho ao anatin’ny ara-dalàna. Ity fiofanana ity moa dia tafiditra amin’ny fampiharana ny asa mendrika ary mamaly ny politikan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanomezana fiahiana ara-tsosialy ny mpiasa Malagasy. Fantatra fa efa 2 taona izay no nandray vatsy ny fianakaviamben’ny FLM taty Toamasina dia izy izao nahazo ny tsara ho fantatra izao. Hetahetan’izy ireo ny tsy ho tara toy ny teo aloha ny fahazoana ny fanampiana sy ny fikarakarana ny antontan-taratasy eo anivon’ny CNaPS. Efa misy masoivohon’ny CNaPS rahateo ao amin’ny faritra Atsinanana.

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT