Sosialy

Fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa DRH maromaro nofanin’ny CNaPS


  • Alarobia 11 Aprily 2018

Notanterahina nanomboka androany, ary hifarana rahampitso alarobia 11 aprily ny fiofanana nomen’ny CNaPS ho an’ireo mpiasan’ny orinasa miankina na tsy miankina. Tetsy amin’ny “groupe Axian” Andraharo no nanaovana izany, ary ity farany rahateo no nanatona ny CNaPS satria te – hahalala ny zon’izy ireo.

 Nitotaly 14 isa teo ireo mpandray anjara tamin’izany, ka saika ny  talen’ny maha-olon’ny orinasa (DRH)  avy amina sehatra samihafa toy ny fanaovan-trano (immobilier), ny banky, ny fifandraisan-davitra ... Ny hanazava ny tolotra omen’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy sy ny ahafahan’ireo mpiasa tsirairay misitraka ny zony no tanjona amin’ny fiofanana  .Rehefa dinihina tokoa dia tsy afaka ny hanatanteraka ny asany amin’ny maha mpitantanana mpiasa azy ireo mpandray anjara nofanina raha tsy mahafantatra mazava tsara ny momba ny fiahiana ara-tsôsialy. Tsiahivina rahateo fa voarakitra ao anatin’ny Lalampanorenana Malagasy ny fampidirana ny mpiasa ao anatin’ny fiahiana ara-tsôsialy, ary manana zo hisitraka izany  ny mpiasa rehetra. Araka izany, nohazavaina nandritra ny 2 andro  ny momba ny CNaPS iray manontolo sy ny tolotra omeny. Ny marainan’ny 10 aprily dia niompana tamin’ny fampahalalana ny lalànan’ny asa sy ny fiahiana ara-tsôsialy ny fiofanana natao. Momba ity farany indrindra dia nilaza ramatoa Rakoto Ramiarantsoa Jeanine  talen’ny fifandraisana ao amin’ny CNaPS fa ny hiarovana ny olona iray amin’ireo tranga tsy ampoizina mety ahazo azy ao anatin’ny asa na ao anatin’ny fiainany manokana; ary ny hahafahana mampihena ny vola mivoaka aminy no tena anjara asan’ny fiahiana ara-tsôsialy. Niompana tamin’ny tolotra fiahiana ny fianakaviana kosa ny tapany hariva, ary tafiditra ao anatin’izany ny volan-jaza, ny volan’ny mpitaiza kely ary ny fanampiana ny vehivavy bevohoka.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT