10% monja amin’ny mpiasa mpikarama no manana fiahiana ara-tsosialy. Antony mahatonga ny fahaverezan-jo ny tsy fahafantarana ny lalàna ka nahatonga ny CNaPS sy ny FJKM hiaraka hiasa.
Tapaka tamin’ny fifanarahana fa omena fiofanana ireo Synoda manerana ny Nosy, ka nahazo ny anjarany ny synodam-paritany Arivonimamo Vaovao sy Afovoany Andrefana. Tao amin’ny sekoly FJKM Johnson Arivonimamo no nanatanterahana ny fiofanana nandritra ny roa andro ny 4 sy 5 aprily lasa teo. Toy ny mpiasa rehetra dia manambady aman-janaka ny mpitandrina sy ny mpanabe ary rariny raha omena fanampiana avy amin’ny CNaPS. Ny latsakemboka aloan’ny mpampiasa amin’ny Tahirim-pirenena no mivadika fanampiana ho an’ny mpiasa, ka noho izany dia adidy fa tsy safidy ny fidirana mpikambana araka ny voalazan’ny lalàna velona, hoy Atoa Randrianjanaka Daniel, Fondé de pouvoir eo anivon’ny CNaPS foibe. Ny mpitandrina, ny talen-tsekoly FJKM, ny tompon’andraikitra ara-bola avy amin’ny synodam-paritany roa dia Afovoany Andrefana sy Arivonimamo Vaovao no nampahalalaina ny zon’ny mpiasa sy ny adidin’ny mpampiasa tao amin’ny sekoly FJKM Johnson Arivonimamo. Resy lahatra ireo mpiofana fa tena ilaina ny fananana fiahiana ara-tsosialy satria antony nampalaina ireo mpampiasa tsy nanefa ny latsakemboka teo aloha ny fanjavozavona sy ny tsy fahafantarana ny CNaPS sy ny asany araka ny fanazavan’ny Mpitandrina Rabemanantsoa Réné, filoha mpanampy eo anivon’ny synodam-paritany Arivonimamo Vaovao. Efa mazava anefa ny fomba fiasa izao ary vao miha mampisinda ny ahiahy fahiny ny fisian’ny fiofanana mitety faritra tahaka izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.