volan’ny bevohoka, volan’ny mpitaiza kely
Miroso amin’ny fanatsarana lehibe eo amin’ny tolotra ho an’ny fianakaviana ny Tahirim-pirenena misahana ny Fiahiana ara-tsosialy (CNaPS), izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana. Noho ny ezaka rehetra sy ho fijerena manokana ny maha olona dia nanapa-kevitra ny Toniam-pitantanana eo anivon'ny CNaPS, izay tarihan'ny Tale Jeneraliny Vimbina RAHAINGONJATOVO, eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Asa, ny fampananan'Asa ary ny Asam-panjakana, izay tarihin-dRamatoa Minisitra FLORENT Soatiana Bety Léonne fa ampiakarina ny ireo fanampiana ny fianankaviana, indrindra fa ny volan-jaza, ka zaza 273 000 manerana ny Nosy no hisitraka mivantana izany. Nambara ofisialy omaly 20 novambra, fa mihatra manomboka amin’ity volana novambra ity ny fampiakarana ireo vola sitrahana, ka nampiakarina 42% ny volan-jaza izay ilay lasa 10 000Ar raha 7000Ar teo aloha. Tahaka izany ihany koa ny volan’ny bevohoka izay lasa 90 000Ar amin’izao fotoana izao, raha toa ka 63 000 Ar. Niakatra ho 120 000Ar ihany koa ny volan’ny mpitaiza kely, izay 84 000Ar teo aloha. Zaza manodidina ny 273 000 eo ho eo manerana an'i Madagasikara no hisitraka ity fanovana ity, hoy ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Florent Soa¬tiana Bety Leonne izay nitsidika ny CNaPS nijery tamin’ny ankampobeny ny fomba fiasa sy ny fanatsarana mety mbola azo atao ny andron’ny omaly. Notsiahiviny ny maha zava-dehibe azy satria in-telo miantoana ihany no nisy fiovana ny volan-jaza satria tany amin’ny taona 1958, dia tena hiviny dia hiviny, ny taona 2023 dia 2000Ar, ary io 10 000Ar io aty amin’ny 2025. Ny volan’ny bevohoka dia miankina amin’ny habetsaky ny volan-jaza ka avo 9 heny amin’io, raha avo 12 heny kosa ny volan’ny mpitaiza kely izay indroa miatoana no hahazoana vola ao anatin’ny herintaona. Namafisiny fa mihatra avy hatrany ireo satria efa tapaka teo anivon’ny filankevitry ny governemanta. Navoitra nandritra ny fampahafantarana ofisialy omaly moa, fa santatra am-bava rano ihany izao fanatsarana izao, fa mbola maro ny kasain’ny CNaPS ho fanatsarana hatrany ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny Malagasy rehetra. Ny vina napetraka dia mazava: tsy maintsy hirosoana ny fanavaozana ny Lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara, mba hahazoan’ny mpikambana rehetra tombontsoa amin’ny fanampiana rehetra omen’ny CNaPS.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.