Sosialy

Fiahiana ara-tsosialin’ny CNaPS Miakatra ireo fanampiana raisina


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Ny farambaran’ny herinandro teo no namoahan’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy n any CNaPS fanambarana maneho

ny fampiakarana ireo fanampiana ho an’ireo mpikambana. Ho fampiharana ny Didim-pitondrana laharana 2022-626 ny 04 mey 2022 izay mamaritra ny karama farany ambany eto Madagasikara ho 250 000 Ariary, dia miainga amin'io 250 000 Ariary io ny fikajiana ny fanampiana raha 200 000 Ariary teo aloha. Noho izany dia voafetra ho 2 000 000 Ariary ny karama farany ambony hikajiana ny latsakemboka. Voafaritra toy izao manaraka izao kosa ireo fanampiana samihafa ary mihatra manomboka ny 01 mey 2022, araka ny fampahafantaran’ny CNaPS hatrany. Ny Fanampiana ho an'ny fianakaviana: Volan-jaza :7 000 Ariary, Volan’ny bevohoka :63 000 Ariary, Volan'ny mpitaiza kely (indroa mandoa): 84 000 Ariary; Fanonerana ny vola lany tamin'ny fiterahana: hatramin'ny 100 000 Ariary. Fanampiana raha sendra loza na aretina vokatrin'ny Asa: tambin-karama isan'andro: 44 444,44 Ariary; Fanonerana ny saram-pivahinianana « frais de séjour » solon-tsakafo « frais de repas»:5769,32 Ariary Fanonerana ny saram-patoriana « frais de découcher »:21 634,00 Ariary; ny fampiharana ny fampiakarana dia manomboka ny volana aogositra ho an'ny volan-jaza ary ho an'ny fisotroan-dronono sy ny vidi-takaitra kosa dia manomboka ny fandraisana ny fanampiana volana septambra, hoy hatrany ny fampahafantarana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT