Sosialy

Fiahiana ara-tsosialin’ny CNaPS Azon’ny mpiasa atao tsara ny mijery ny kaontiny


  • Talata 02 Jolay 2019

Mahatratra 50 ny mpiasa efa mpikambana ao amin’ny CNaPS no tonga nianatra nijery ny kaontiny amin’ny «internet».

 

 

 Zokiolona 10 no tonga nanadihady momba ny fisotroan-dronono, mpitsidika 30 no naka ny tsara ho fantatra raha 1 000 be izao ireo tsy an’asa tonga nanatitra CV teo amin’ny tranohevan’ny CNaPS tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina nandritra ny SERAB’ny Asa ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ireo dia nisy ny fanazavana momba ny CNaPS sy ny asany ho an’ireo tonga nitsidika mivantana ny mpiasan’ny Tahirim-pirenena nandritra ny roa andro. Nisy ihany koa ny vela-kevitra nandraisan’ny CNaPS sy ny minisitera mpiahy anjara, fotoana izay nampahalalana fa zon’ny mpiasa ny fiahiana ara-tsosialy toy ny fanampiana ny fianakaviana, fiantohana ny loza sy aretina vokatry ny asa, ny fisotron-dronono. Rtoa Rakotonirina Narindra sy Andriampenomanana Tina izay « chargé d’études Sénior » ao amin’ny CNaPS no nanazava sy namaly ny fanontanian’ireo olona tonga nanatrika ny vela-kevitra. Tafiditra anatin’ny ezaka ataon’ny CNaPS amin’ny fanentanana ny mpampiasa mba hampiditra ny mpiasany ao amin’ny CNaPS ny fandraisany anjara tamin’ny SERABn’ny asa satria dia roa volana sisa ny fotoana hanaovana ny fanentanana. Koa asaina hatrany ny mpampiasa hanatona ireo birao, tendro ary masoivohon’ny CNaPS izay miparitaka manerana ny Nosy mba hanao ny fanambarana filazan-karama, hampiditra ny mpiasa ho mpikambana ary hanefa ny latsakemboka. Raha misy mpiasa vao miditra na koa miala dia tsy maintsy ampandrenesina ny CNaPS. Ho an’ireo mpiasa efa mpikambana fa tsy misitraka ny zony dia entanina ihany koa hanatona ny biraon’ny CNaPS izay akaiky azy indrindra satria efa misy taratasy fenoina maimaimpoana fangatahana ny fanampiana rehetra ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Azon’ny mpiasa atao koa ny manara-maso ny latsakembokany voarotsaka amin’ny alalan’ny internet rehefa mahazo ny teny miafina tany amin’ny biraon’ny CNaPS.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT