Sosialy

FI ASTRAMA sy ny HAFARI Hitsabo ny Malagasy amin’ny alalan’ny zavamaniry


  • Alarobia 06 Mey 2020

Malaza ary tena mahazo vahana eto amintsika mihitsy amin’izao fotoana ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zava-maniry taorian’ny nipoiran’ny tambavy CVO.

 

 

 

 

Tena mametraka izany ho zava-dehibe tokoa ny fikambanana Hafari Malagasy ho fanandratana ny vita Malagasy sy hahazoan’ny mpiray tanindrazana mitsabo tena amin’ny sarany mirary. Anisan’ny miara-miasa aminy akaiky amin’ny fanatanterahana izany ny FI ASTRAMA ( Association tradipraticienne de Madagascar) avy any Farafangana izay efa mijoro ara-panjakana an-taonany maro ka dokotera mandresy no tonga eto an-drenivohitra hisantatra izany. Amin’ny alalan’ny fitsaboana nentim-paharazana no hitsaboan’ny roa tonta ireo marary raha fitaovana manara-penitra mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia kosa no hampiasainy hijerena ireo karazan’aretina ao anatiny. Ao anatin’ny 10 minitra monja raha ela dia fantany avokoa ny aretina mahazo ny olona iray amin’ny alalan’ny fitaovana hapetaka eo amin’ny tratra. Ankoatra ireo aretina mpahazo mahazatra araka izany dia hitan’ity dokotera ity avokoa ireo aretina miafina rehetra any anaty any toy ny olana amin’ny nono ho an’ny vehivavy, ny any amin’ny taovam-pananahana, ny lamosina, ny filahiana tsy mety mihenjana…5.000 Ar no saran’izany ary amin’ny alalan’ireo karazana ravinkazo misy eto amintsika toy ny ravintsara, ny kininim-potsy, ny mandrava sarotra ihany no hitsaboany ny marary. Mitsabo ireo olona tratry ny hasemporana ihany koa izy ireo raha ny fantatra, ireo mararin’ny diabeta ary indrindra ireo tratry ny fahatapahana lalan-dra izay tena marobe tokoa eto amintsika. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa mety ho betsaka ireo hanenjika azy satria volabe iraisam-pirenena no mety ho voatohintohina. Na izany aza anefa hoy izy dia ny tombontsoan’ny Malagasy no jerena. Manana hetaheta ny hitsabo ireo mararin’ny COVID 19 ihany koa mantsy izy ireo. Eny amin’ny biraon’ny Hafari Malagasy eny Anosizato no ahitana ity dokotera ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT