Sosialy

Fety ao anaty fahasahiranana Tsy dia nisy ny tsena ho an’ireo mpivarotra sakafo


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Tsy dia nisy tsena loatra ireo mpivarotra sakafo nandritra ny faran’ny herinandro nentina nanamarihana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao omaly.

Raha nanantena ny hahalafobe mihitsy ireo mpivarotra akoho fakana nofony ohatra mba hanaovana misikita sy hatao laoka dia nifanohitra tamin’izay ny zava-nitranga. Tsy nahalany akoho 10 kg akory ny mpivarotra iray raha araka ny fanadihadiana natao tetsy Isotry nefa efa namandrika akohon’olona hatrany amin’ny 20 isa. Toraka izany koa ireo mpivarotra gisa tetsy amin’ny digy miazo an’Ambohitrimanjaka. Mbola nisy nivarotra ihany izy ireo hatramin’ny omaly maraina saingy zara fa nisy mpividy. Tafakatra 150.000 Ar rahateo ny gisa lehibe iray ka naleon’ny mpiantsena nisafidy hena tsotsotra. Samy nilaza moa ny ankamaroan’ireo mpivarotra nanaovanay fanadihadiana fa tsy mbola nisy fety tahaka ny tamin’ity taona 2022 ity hatramin’izay noho ny hasarotan’ny fiainana. Ny vary aza moa efa hahatratra 1000 Ar ny iray kapoaka, antony tsy hahafahan’ny isam-baravarana mividy laoka tsaratsara intsony satria tsy maintsy kajiana tsara ny vola mivoaka.

Pati
Legende : Tsy dia nisy mpividy ny sakafo teny an-tsena

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT