Sosialy

Fetra, mpidoroka zava-mahadomelina “Tolotolotra avy any aman’olona no naharoboka ahy”


  • Talata 10 Mey 2022

Ankizy 13 taona no zandriny indrindra amin’ireo mandray zava-mahadomelina mahery vaika toy ny heroine eto amintsika.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’i Fetra tovolahy iray mandray sy midoroka izany dia tolotolotra avy tany aman’olona no naharoboka azy. Mpivarotra heroine mandehandeha eny amin’iny faritra 67 ha iny izay efa mpamatsy ireo mponina eny an-toerana mihitsy no nanome azy izany. Indroa no nomeny heroine aho hoy izy ary isaky ny avy mandray izany dia mahatsiaro ho sambatsambatra izany. Mahatsapa ihany koa ny tenako hoy izy fa lasa matanjakabe ary manana hery hafa mihitsy. Nanjary tamana ny tenako hoy hatrany i Fetra, ary tsy manaiky raha tsy mahazo tsindrona heroine kely isan’andro. Tsy nety nanome maimaimpoana intsony anefa ilay olona hoy hatrany izy ka lasa nanaotao foana aho. Natomboko tamin’ny halatra vilany sy lovia tao an-trano izany hoy hatrany, nihafara tamin’ny fangalarako vola tao an-tokantrano mba hividianako heroine ary izao izaho tonga hatrety Antanimora izao.

Pati
Legende : Any am-ponja izao i Fetra maka saina
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT