FETIN’NY NOELY SY NY FARAN’NY TAONA

Mbola tena maina ny tsena, tsy manam-bola ny olona


  • Talata 12 Desambra 2023

10 andro mahery eo ho eo sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny

Noely sy ny faran’ny taona isika. Tsy mbola misy taitra amin’izany anefa ny ankamaroan’ny Malagasy raha ny zavatra hita eny rehetra eny vokatry ny fahasahiranana. Efa tazana mirantiranty eny an-tsena avokoa ireo karazana kojakoja ilaina amin’izany toy ny hazo noely, ny fitafiana maro isan-karazany, ny kilalao, ny kiraro, ny vatomamy sy ny bisikoitra… saingy tsy mbola misy mpividy. Ny mpanontany no betsaka raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray. Mitontongana ny fiainan’ny Malagasy hoy hatrany ity mpivarotra iray ity. Raha efa tsy naharaka ireo mpividy ny ain’izy ireo tamin’ny roa taona lasa tahaka izao dia lasa nofy tanteraka izany ankehitriny, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Tsy manam-bola ny olona raha bangoina. Ny fitadiavana ny hanin-ko hanina isan’andro aloha hatreto no tena hilofosana sy mahafaty isan’andro. Izay hita koa anefa dia lany vokatry ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika raha oharina amin’ireo vola vahiny. Manampy trotraka izany ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro. Nomarihin’ireo mpivarotra moa fa any amin’ny faha-20-n’ny volana Desambra any ho any vao mety hisokatra ny tsena raha izao no mitohy. Mbola miandry fandraisam-bola amin’ny faha-18-n’ny volana Desambra avokoa mantsy ireo mpiasam-panjakana raha amin’ny faha-15-n’ny volana kosa ireo mpaka avansy. Manodidina ny 10.000 ka hatramin’ny 100.000 Ar moa no vidin’ny hazo noely iray amin’izao eny an-tsena raha efa 14.000 Ar kosa ny iray kilao amin’ny vatomamy sy bisikoitra.
Pati
Legende : Mbola jerem-potsiny aloha hatreto ny hazo Noely…
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT