Sosialy

Fetin’ny noely sy ny faran’ny taona Ankizy an’arivony no nozaraina kilalao sy ranom-boankazo


  • Zoma 28 Desambra 2018

Ankizy an’arivony no nozaraina kilalao sy ranom-boankazo teto an-drenivohitra nanomboka ny 20 ka hatramin’ny 26 desambra lasa teo noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Lohalaharana amin’izany ireo ankizy kilasy mandry miisa 154 raisina an-tanana eo anivon’ny Akany Avoko.

 

 

 

Toraka izany koa ireo ankizy 200 isa mpireniteny sy sahirana ara-pivelomana eo anivon’ny Fokontany Besarety ahian’ny fikambanana ShareMada mivantana ankoatra ireo ankizy 720 isa  beazina eo anivon’ny sekoly “Etoile rouge” tantanan-dry masera.  Ny orinasa Star no nanolotra ireo fanomezana ireo. Tsy diso anjara tamin’izany ireo fianakaviana sahirana ao anatin’ny kaominina Tsiafajavona amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao. Kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro maro isan-karazany 260 fonosana  no natolotra azy ireo tamin’izany niampy  ranom-boankazo 1.100 tavoahangy sy kilalao 200 isa. Nambaran-dRazafindrakoto Karine, mpandrindra ny serasera eo anivon’ny orinasa Star nandritra izany moa fa ny mba hahafahan’izy ireo mampiaina fifaliana ireo niangaran’ny vintana eto amintsika amin’izao fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao no tena tanjon’izy ireo, indrindra fa ireo ankizy madinika tsy manan-tsiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT