Sosialy

Fetin’ny asaramanitra Niray fo ny fiadidian’ny Primatiora


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Notanterahina ny talata 24 desambra teo ny lanonana nanamarihana ny Noely 2019 teo anivon’ny Primatiora,

 

 

izay notarihin’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Fotoana izay niarahan’ny mpiasa rehetra niombom-po sy nifampirary soa, eo am-piandrasana ny figadonan’ny taona vaovao. Fotoana iray ihany koa izay mifanojo amin’ny fifaranan’ny taom-piasana 2019 ka nanararaotan’ny Praiminisitra nanao jery todika momba ny asa vita tamin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fampiharana ny fanavaozana rehetra napetraka, araka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika sy ny fampanantenana nataony tamin’ny vahoaka Malagasy. Nasehon’ny praiminisitra taratra tamin’izany ireo ny fepetra noraisiny teo amin’ny fanitsiana ny fomba fiasa eto amin’ny Primatiora sy ny ratsa mangaika rehetra eo ambany fitantanany mivantana. Nisy ny fanolorana solom-bodiakoho ho an’ny Raiamandreny praiminisitra ary niaraka tamin’izany dia natolotra azy ihany koa ny amboara lehibe indrindra azon’ny fikambanan’ny mpanao fanatanjahantena eto an-toerana, tamin’ny fifanintsanana izay nokarakarain’ny ASIEF tamin’ity taona ity.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT