Sosialy

Fetin’ny asaramanitra Nijery manokana ireo sahirana ny orinasa Star


  • Zoma 27 Desambra 2019

Nijery manokana ireo sahirana sy niangaran’ny vintana ny orinasa Star amin’izao fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

 

 

 

 

Fikambanana samihafa efa niara-niasa taminy  tamin’ity taona ity ihany, no notolorana ny fanomezana ary  nanolotra izany ho an’ireo  fianakaviana sahirana. Fizarana kilalao ho an’ireo zaza sy ankizy marary tsaboina ao  amin’ny hopitaly  HJRA sy HJRB, miisa 94, no nisantarany izany izay niarahana tamin’ny fikambanana Compassion Madagascar. Notohizana tamin’ny fizarana zava-pisotro mamy ho an’ireo  ankizy 720 ao amin’ny « Ecole Petite Sœur de l’Evangile » teny Andohatapenaka  ny fizarana avy eo. Tsy diso anjara ihany koa ireo beantitra ao amin’ny fokontany Mandialaza Ankadifotsy izay nahazo kitapom-batsy 100 (misy vary, menaka, savony ary zava-pisotro mamy avy) niaraka tamin’ny Sharemada. Ireo ankizy 200 tao amin’io fokontany io ihany koa dia nahazo kilalao sy vatomamy. Nahazo ny tandrify toraka izany ihany koa, ireo zaza beazina ao amin’ny « Orphelinat de Majunga » ka samy nahazo kilalao sy vatomamy avy. Toy ny efa fanao isan-taona dia naharay kitapom-batsy (misy vary, menaka, savony ary zava-pisotro mamy avy) koa ireo beantitra miisa 262 ao amin’ny fokontanin’i Tsiafajavona. Amin’ny maha orinasa mitsinjo ny mahaolona ny STAR moa dia zava-dehibe ho azy ny manatanteraka izao fanomezana izao entina manamaivana ny fandaniana ho an’ireo  fianakaviana sahirana ireo mandritra ny fety.

 

Pati      

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT