Sosialy

Fetin’ny 26 jona Hanomboka amin’ny zoma ny Podium


  • Alarobia 19 Jona 2019

Poduim isan’andro no hitranga eto an-drenivohitra manomboka amin’ny zoma 21 jona ho avy izao. Araka ny tatitry ny komity misahana ny fankalazana ny fetim-pirenena eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika, efatra andro mialoha ny 26 jona dia efa hianoka ao anatin’ny asaramanitra ny rehetra.

 

 

 

 Eo  amin’ny araben’ny fahalovantena, manoloana ny tsangambato Ralaimongo no hanaovana ny hetsika. Hisy ny fiakarana an-tsehatra maimaimpoana isan’andro manomboka amin’io zoma io.  Ireo tarika mpankafy ny gadona Rock  toa an-dry Iraimbilanja,  Kiaka ary Mage 4 no hisantatra izany. Ry  Jerry Marcoss, Tsiliva, Dah Mama … kosa no hiaka-tsehatra ny sabotsy raha fiakarana an-tsehatra in-droa miatoana no hisy ny andron’ny alahady 23 jona. Ho an’ny  eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena eny Mahamasina dia hiaka-tsehatra ao ry Maggie Blanchard manomboka amin’ny 3ora tolakandro amin’ny alalan’ny hira ara-pilazantsara… Ny talata 25 jona hariva kosa vao hisy ny afomanga eny Anosy arahin’ny bal populaire eny Analakely manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Lalana maro no ho tapaka vokatr’izany eto an-drenivohitra.

 

Pati sy Marigny

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT