Sosialy

Fetin’ny 26 jona ao Alasora Hotsinjovina manokana ireo sahirana


  • Talata 24 Mey 2022

Hitsinjo manokana ireo zokiolona sy fianakaviana sahirana manerana ireo Fokontany 20 misy ao aminy ny kaominina Alasora amin’izao ankatoky ny fetin’ny Asaramanitra 26 iona izao.

An’arivony ireo hahazo tombony amin’izany izay hozaraina fotsim-bary … hahafahana miatrika amim-pitoniana sy amim-pilaminana ny fety. Miisa 1.000 ireo zokiolona hojerena izay hihoatra ny 70 taona avokoa. Ho an’ireo ankizy madinika hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE kosa indray dia miisa 2500 ireo hofahanana sakafo atoandro miaraka amin’ny mpandraharaha ny datin’ny 21 jona ho avy izao raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy, hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona. Tsiahivina moa fa hosokafana amin’ny fampisehoana ara-pilazantsara goavambe hatao eny Ankadindratombo ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona ho an’ny kaominina Alasora. Arahin’ireo mpanankato goavambe izay hankafizin’ny tanora izany ary hofaranana amin’ny afomanga.

Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT