Ny ankamaroan'ny ankizy tezaina ao amin'ny akany fitaizana zaza kamboty ao Ambatolampy dia tsy manana izany atao hoe "Dada" izany intsony indrindra amin'izao fankalazana ny fetin'ny Ray izao.
Tsy nanadino ary tsy namela azy ireo ho irery ireo lehiben'ny Polisim-pirenena izay notarihin'ny Minisitry ny filaminam-bahoaka CGP Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys sy ny vadiny ary nidina tany an-toerana mihitsy nitondra fanomezana ho an'ireto zaza kamboty ireto ho fanehoana fa manana Ray aman-dreny mitaiza izy ireo na dia lavitry ny fianakaviana aza. Nahazo bodofotsy sy vary ary arendrina avy any amin'ny Ministeran'ny filaminam-bahoaka moa izy ireo. Tsy nandeha irery anefa ireto lehiben'ny Polisim-pirenerena ireto fa misy ihany koa ireo mpiara-miasa hafa toy ny FIVAPOVA avy ao amin'ny Commisariat Central nitondra fanampiana toy ny sakafo sy akanjo ary kojakoja maro samihafa ( savony, koveta,...) hanampiana ny ankizy amin'ny fiainany andavan'andro. Tao ihany koa ny sampana "Soatia" izay nanome aron-tava miisa 200 sy lamba firakotra miisa 30. Ankoatra izay dia nanome baolina basket sy foot ihany koa ny depiote lany tao Ambatolampy. Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo niarahana tamin'ireo ankizy miisa 69 moa ny lanonana tany an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.