Sosialy

Fetin’ ny faran’ ny taona Nanampy ireo sahirana ny Ravinala Airports


  • Alatsinainy 28 Desambra 2020

Ho an'ny Ravinala Airports, izay orinasa mitantana ny seranam-piaramanidina Antananarivo sy Nosy-Be,

 

 ny fampandrosoana fotodrafitrasa amin'ny seranam-piaramanidina dia mifampiankina amin’ ny fanajàna sy fifanampiana amin'ny mponina eo an-toerana. Ny Ravinala Airports dia mampiseho izany amin'ny alàlan'ny hetsika sosialy tanterahiny, indrindra amin'ireo vondrom-piarahamonina manamorona ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Mba hanehoany ny firaisankinany amin'ireo mponina eo an-toerana, dia nanao hetsika maromaro ny Ravinala Airports. Manomboka amin'ny fanolorana dabilio-latabatra amin'ny EPP sy CEG ao Ivato Village. Ny lanonana izay natao ny alakamisy lasa teo dia notronon’ ny lefitra voalohan'ny ben'ny tanànan'i Ivato, ny solontenan'ny Lehiben'ny Cisco, ny talen'ny EPP Ivato, ny talen'ny CEG Ivato , ny Tale QHSSSEMR eo anivon’ ny Ravinala Airports. Tafiditra ao anatin’ izay hetsika firaisankina izay hatrany dia nisy ny fanampiana ireo olona sahirana sy marefo amin’ izao fiatrehana ny fetin’ ny Krismasy sy ny faran'ny taona ihany koa ny fizarana sakafo ho an'ny fianakaviana marefo amin'ny faritry ny seranam-piaramanidina Ivato, indrindra ny an'ny Talatamaty, Anosiala ary Ambatolampy Tsimahafotsy. Vary 2 100 kg, siramamy 420 kg ary menaka 420 litatra no nozaraina tamin'ireo fianakaviana marefo 420 ao amin'ireo kaominina efatra ny herinandro lasa teo.

 

 

 Mampivondrona mpamatsy vola iraisam-pirenena efatra, ny Ravinala Airports: Meridiam, Groupe ADP International, Bouygues Bâtiment International ary Colas. Izany dia vokatry ny tolobidy iraisam-pirenena nataon’ ny Fanjakana Malagasy. Ny habetsaky ny fidirana an-tsehatra amin'ity fitantanan-draharaha ity dia ahitana: ny fitrandrahana, ny fikojakojana, ny fampandrosoana ary ny famatsiam-bola ireo seranam-piaramanidina roa ireo mandritra ny 28 taona, nanomboka ny taona 2016. Ny famatsiam-bola maneran-tany manodidina ny 200 tapitrisa euros dia hanome an’ i Madagasikara fotodrafitrasa manaraka hatrany ny fenitra iraisam-pirenena.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT