Sosialy

Fetim-pirenena 26 jona Manomana tolotra vaovao ny BNI


  • Zoma 21 Jona 2019

Kely sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona isika.

 

 

 

Mba hahafahan’ny isam-pianakaviana manao fety sambatra dia manomana tolotra miavaka ho an’ireo mpanjifany ny banky BNI. “Crédit vina 24 h” no anarana nampitondrainy azy io, fampindramam-bola hahazoana valiny ao anatin’ny 24 ora avy hatrany. 12 % ny tahan-jana-bola amin’izany raha hatramin’ny 8 tapitrisa Ar kosa ny vola azo alaina. Ao anatin’ny enina ka hatramin’ny 60 volana no fe-potoana hahafahana mamerina azy. Ankoatra ity tolotra ity, ahitana fihenam-bidy 50 % ihany koa ny “pack centenaire” isaky ny zoma mandritra ny lalao CAN izay hanomboka anio.  Mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ity banky iray ity avokoa izany. Tsiahivina fa mpanohana ofisialy ny ekipam-pirenena BAREA ny banky BNI Madagascar.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT