Sosialy

Fera fipasohana nitarika hain-trano Kila forehitra ny "coffre" nisy vola


  • Alarobia 16 Janoary 2019

Tamin'ny 11 ora antoandro, nisy trano lehibe misy rihana iray teny Andrefambohitra Ampitatafika kilan'ny afo omaly talata 14 janoary.

 

 

 

Raha ny fantatra, fera fipasohana adino no nahatonga ny firehetana. Tokantrano maro no mipetraka ao amin' io trano io fa ny rihana ambony misy an'ilay tompon-trano no tena kila forehitra. Tsy mbola voafaritra ny tentim-bidin'ireo entana may fa ny fantatra dia taraiky tao amin'ilay trano ny "coffre" fitahirizam-bola. Araka ny loharanom-baovao dia mpivaro-kazo eo Ampitatafika ny tompon'ny toerana. Nanao tanan-dava ny manodidina mba hamonjy ireo entana rehetra ary mba hahafehy ny afo mandra-pahatonga an'ireo mpamonjy voina. Rehefa tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina dia nanao ny asany saingy ny nahatsikaiky, lany ny rano tao anaty "citerne" ka nandeha teny Anony naka rano indray. Sarotra ny nifehy ny afo satria ny rivotra nifofo be ka naharitra ora telo vao maty. Tonga teny an-toerana avokoa ny solontenan' ny ben'ny tanànan' i Ampitatafika,sy ny sefom-pokontany ary ny zandary nizaha akaiky ny raharaha.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT