Sosialy

Fepetra vonjimaika ny amin’ny delestazy Nampitomboina avo roa heny ny tahirin-tsoliky ny JIRAMA


  • Talata 19 Febroary 2019

Manoloana ny fahatapahan-jiro lavareny izay nahatonga fahatezerana sy fingerongeronana tamin’ny maro tato ho ato dia nisy ny fiaraha-midinika tambony latabatra nataon’ny minisitra sy ny tompon’andraikitra tao amin’ny JIRAMA ary ireo mpiara-miombon’antoka misehara amin’ny solika rehetra.

 

 

 Tetsy amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo izany no natao omaly alatsinainy 18 febroary ary fepetra vonjimaika no noraisina. Nanambara ny minisitry ny rano, ny angovo ary ny akoran’afo, Vonjy Andriamanga fa nakarina avo roa heny ny tahirin-tsolika ahazoana mamokatra herinaratra ary tsy misy delestazy intsony nanomboka tamin’ny sabotsy lasa teo. Ankoatr’izay dia tsy maintsy hitady vahaolana maharitra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka tahaka ny fanamboarana tobim-pamokarana herinaratra vaovao sy ny fitodihana tanteraka amin’ny angovo azo havaozina ny fanjakana.  Tsy maintsy hatao izany, hoy izy satria tsy Antananarivo ihany  no tratran’ny delestazy fa faritra 60 eto Madagasikara.   Araka izany dia amin’ny zoma ho avy izao indray dia hiverina hanao fanambarana ny minisitra ny amin’ny vokatry ny fifanarahana sy ny vahaolana ho famatsiana ny JIRAMA vokatry ny fifampiresahana tambony latabatra. Nanambara ihany koa ny tale jeneralin’ny JIRAMA, Olivier Jaomiary Aimé  fa ampy tsara ireo milina (groupes) ahafahana manao famokarana fa ny fahefa-mividy amin’ny solika no tena olana ka voavaha aloha izany hatreto. Tsy hisy intsony aloha ny fahatapahan-jiro araka ny nambaran’izy ireo izay sady mampirongatra ny tsy fandriampahalemana no mamono ny vahoaka sy ny mpandraharaha ary tena mamotika toekarena.

Tsirinasolo

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT