Sosialy

Fenoarivo “Noterena hivarotra amin’ny karana ny tompon-tany”


  • Talata 12 Oktobra 2021

Tsy sinema, hoy ny filohan’ny vaomiera misahana ny fitantanana ny fananan-tany sy fanajariana ny tany eo anivon’ny antenimieram-pirenena, ny depiote Naivo Raholdina,

 tetsy amin’ny fonenany etsy Ambondrona omaly, ny fikasana hamono ny tenako sy ny fianakaviako. Misaotra manokana ny filoham-pirenena aho nanaraka akaiky io raharaha io sy nanampy ahy, hoy izy. Teo koa ny minisitry ny fitsarana sy ny mpiara-miasa aminy, ny minisitry ny filaminana anatiny, indrindra, ireo tao amin’ny borigady misahana ny heloka bevava. Olona miisa 2 no voatazona vonjimaika any am-ponja ankehitriny. Mbola mandeha ny famotorana. Tsy tia managadra olona aho fa mamoaka aza ataoko ka apetrako amin’ny fahendren’ny fitsarana iny. Nisy ifandraisany amin’ny fiarovako ny fananan-tany ny saika hamonoana ahy. Ilay ady tany eny Fenoarivo, hono, nakako 5 tapitrisa ariary. Ilay olona nitaraina tao amiko hono nakako izany sady nompaiko ho mpisoloky. Tsy mandoa na ariary aza ny mitaraina ao amiko sy ny vaomiera tarihiko fa ny mifanohitra amin’izany aza. Izaho no miantoka ny mpisolovava azy sy ny rehetra raha ilaina izany. Nitomany tao an-tranoko tamin’ny 7 maraina ireto olona ireto. Ramatoa 60 taona latsaka, reniko, hoy izy, no nampidirina am-ponja. Naratra ny foko naheno izany. Tsy mba misy olona hiaro olona voan’ny tsindry hazo lena ve eto? Noterena ireto olona ireto hivarotra io tany io amin’ny Karana ka hiaro azy ireo hatramin’ny farany aho, hoy hatrany ny tenany. Nanamafy kosa ireo olona nilaza ho lasibatr’izao raharaha izao tonga teny an-toerana fa azy ireo ny tany ary tsy nanome vola ity depiote ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT