Sosialy

Fenoarivo hatrany Imerintsiatosika Tapa-dava ny jiro, tsy fantatra hoe rahoviana vao hilamina


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Tapa-dava ny jiro eny Fenoarivo Atsimondrano ka hatreny Imerintsiatosika nanomboka ny sabotsy teo. Zara raha mirehitra izany isan’andro na dia efa tena mamay aza ny tsy fandriampahalemana.

Tsy vitsy tamin’ireo olona mivelona amin’ny asa mila herinaratra noho izany no voatery nampiato izany mihitsy toy ny asa fanaovam-bolo….Omaly Alahady ohatra ho an’ny tananan’i Fenoarivo manokana dia zara raha nandeha adin’ny roa ny jiro. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny orinasa JIRAMA dia nambaran’izy ireo fa vokatry ny f𝒂𝒏𝒐𝒍𝒐𝒂𝒏𝒂 ilay 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏-𝒋𝒊𝒓𝒐 𝒆𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒅𝒊𝒔𝒂𝒉𝒂 𝑨𝒍𝒂𝒌𝒂𝒎𝒊𝒔𝒚, ao anatin’ilay tetikasa tambazotra arivo no antony. Mbola nitohy omaly alahady ny asa fanatsarana ny tambazotra mpitsinjara herinaratra arivo ka fanoloana andrin-jiro beton eo Ambodisaha Alakamisy no notanterahina tamin’io omaly alahady io. Mbola tsy fantatra kosa anefa izay fotoana mety hiverenan’izany amin’ny laoniny tanteraka.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT