FENOARIVO ATSIMONDRANO

Hifampitadiavana ny rano fisotro madio


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Ritra ny ankamaroan’ireo vovon-drano hatsakan’ny olona ao anatin’ny Kaominina Fenoarivo,

distrikan’Atsimondrano. Mivadika ho menamena avokoa ny lokon’ny rano tovozina rehetra no sady misy fofona, hany ka mahatsiaro ho sahirana ny mponina. Eo an-danin’izay anefa dia tsy maharaka ihany koa ny rano amin’ny paompy izay efa vidiana 200 Ar ny iray bidon. Mbola tsy azo eo noho eo ihany koa izany, raha araka ny fanadihadiana natao. Raha haterina amin’ny hariva mantsy ny bidon iray dia rahampitso maraina izany vao feno noho ny hamaroan’ireo mpilahatra. Raha kely mantsy dia bidon miisa 200 isan’andro eo ho eo no tsy maintsy fenoina. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra araka izany ireo mponina eny Fenoarivo mba hijery akaiky ity olan’ny rano eny an-toerana ity. Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maintany rahateo isika.
Pati
Legende : Tahaka izao ny filaharan-drano iainan’ny mponina isan’andro !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT