Sosialy

Federasionin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa “Tsy azo anaovana fikaramana an’ady ny asanay”


  • Talata 19 Jolay 2022

Noho ny tsy fisian’ny fifanakalozan-kevitra marina teo amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny fanjakana dia nanao fanambarana ny federasionin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa izay ahitana ny FOMZMPM, FIMPAMA, SCAE-PC, PMH,

 AVDDCC, MCI fa tsy miray petsapetsa amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika izy ireo satria efa voavolavola sy maty paika mialoha ny fampiakarana izany. Mijoro eo anilan’ny vahoaka mandrakariva hiaro azy amin’ny tsindry hazolena mahazo azy ireo izahay, hoy ity federasionina ity. Efa maro ireo vahaolana naroso teo aloha, hoy izy ireo. Tsy nampiharina izany. Tsy azo ekena noho izany ny mbola hiakaran’ny vidim-piainana sy ny entana ilaina an-davan’andro na PPN indray. Tsy voatsinjo ny vahoaka Malagasy. Maro ny fitiavan-tena sy voninahitra eo amin’ireo mpitondra. Tsy nahomby ny governemanta amin’ny famahana olana ara-tsosialy eto Madagasikara. Diso fanantenana ny vahoaka Malagasy. Asa masina ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa ka tsy azo anaovana fikaramana an’ady etsy sy eroa, hoy hatrany ity federasionina ity.
J. Mirija
Legende: Lalaina Razafindralambo, tomponandraikitra voalohan’ny federasionina
(Tahirin-tsary)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT